PNRDC | Fanisana sy Fametrahana amin’ny rafitra nomerika ny orinasa kaoperativa

𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 07 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘵𝘰𝘯𝘵𝘰𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘵𝘦𝘵𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗) 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘰𝘮𝘣𝘰𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘯𝘺 𝘗𝘳𝘰𝘨𝘳𝘢𝘮𝘢 𝘕𝘢𝘴𝘪𝘰𝘯𝘢𝘭𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘦𝘵𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘙𝘢𝘧𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘕𝘰𝘮𝘦𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘖𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘒𝘢𝘰𝘱𝘦𝘳𝘢𝘵𝘪𝘷𝘢 (𝘗𝘕𝘙𝘋𝘊).
Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, nanokatra ny hetsika Ramatoa Talen’ny Kabinetra, TIDAHY Chantal, notronin-dRamatoa Tale Jeneralin’ny Fampiroboroboana ny Sehatra tsy Miankina, MANANARIVO Arlise.
Manomboka eto Analamanga ny programa, ka kaoperativa 100 no kendrena ho voaisa amin’ity herinandro ity, alohan’ny hitohizan’ny hetsika any amin’ireo Faritra hafa. Tanjona ny hahazoana antontan-kevitra azo antoka sy voamarina momba ireo orinasa kaoperativa.
Programan’ny Fanjakana Malagasy ny PNRDC ary tohanan’ny PNUD ara-bola. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanavaozana (PGE-R), izay mametraka ho laharam-pahamehana ny famoronana asa. Ao anatin’izany, ny fanohanana sy fanomezana tan-tsoroka ireo kaoperativa dia anisan’ny dingana lehibe hanamafisana ny asa fivelomana, hampiroboroboana ny toekarena ary hanatsarana ny fari-piainan’ny Malagasy.
