Fampiroboroboana ny kolontsaina mandraharaha eo amin’ny tanora Malagasy

📍𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 15 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘛𝘢𝘯𝘰𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘮𝘱𝘪𝘢𝘯𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘮𝘪𝘪𝘴𝘢 300 𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘪𝘢𝘯𝘺 𝘷𝘰𝘢𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯𝘺 𝘩𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘰𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘪𝘮𝘢𝘪𝘮-𝘱𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘬𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘦𝘧𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰, 𝘯𝘺 15 𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 18 𝘴𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026, 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘢𝘵𝘢𝘰 𝘦𝘵𝘴𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘦𝘧𝘪𝘵𝘳𝘢𝘯𝘰 𝘧𝘪𝘷𝘰𝘳𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘔𝘌𝘍 𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺.
📌60%-n’ny mponina eto Madagasikara dia tanora avokoa. Tsy manao ambanin-javatra ny fijerena ny ho avin’ny tanora malagasy ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanavaozana ( PGE-R ) izay mamaritra mazava ny fanohanana ireo tanora ity fiofanana hiarahan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), ary ny LE CEENTRE ity.
✅« Ho an’ny MIDSP manokana dia manao ho zava-dehibe ny tantsoroka ho an’ireo tanora sy mpianatra mikasika ny tontolon’ny fandraharahana izay mitondra vahaolana maharitra ho an’ny Tanindrazana. Maro ny tetikasa eto anivon’ny minisitera hiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny izay mijery ny fampiroboroboana ny fandraharahana ho an’ny tanora sy ny vehivavy, ary indrindra mamboly ny toe-tsaina handraharaha. » hoy Andriamatoa Sekretera Jeneraly, TATAMIARISOA Manankoraisina Landry, izay nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina , nandritra ny lanonam-panokafana.
📌Fanombohana ihany ity andiany voalohany ity fa mbola hitohy manerana ny Nosy ny fampiofanana ireo tanora malagasy. Rehefa vita ny eto Antananarivo dia any Toliara indray no hanohizana ny fampiofanana.
