๐ฒ๐ฌ Fampiroboroboana ny fandraharahana sy ny indostria : ny tanora no ankehitrinin’i Madagasikara

๐๐ฐ๐ฉ๐ข, ๐๐ข๐ต๐ข๐ณ | ๐๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ข๐บ ๐ข๐ฏ๐ซ๐ข๐ณ๐ข ๐ต๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ญ๐ข๐ต๐ข๐ฃ๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ฃ๐ฐ๐ณ๐ช๐ฃ๐ฐ๐ณ๐บ ๐ฏ๐ข๐ต๐ฐ๐ฌ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฉ๐ฐ ๐ข๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ข๐ฉ๐ข๐ณ๐ข๐ฉ๐ข๐ฏ๐ข, ๐ฏ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ช๐ต๐ณ๐ข ๐ฏ๐บ ๐๐ฐ๐ณ๐ญ๐ฅ ๐๐ฏ๐ท๐ฆ๐ด๐ต๐ฎ๐ฆ๐ฏ๐ต ๐๐ฐ๐ณ๐ถ๐ฎ (๐๐๐) 2026, ๐ฏ๐บ ๐๐ช๐ฏ๐ช๐ด๐ช๐ต๐ณ๐บ ๐ฏ๐บ ๐๐ข๐ฎ๐ฑ๐ช๐ณ๐ฐ๐ฃ๐ฐ๐ณ๐ฐ๐ฃ๐ฐ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐๐ฏ๐ฅ๐ฐ๐ด๐ต๐ณ๐ช๐ข ๐ด๐บ ๐ฏ๐บ ๐๐ข๐ฎ๐ฑ๐ช๐ท๐ฆ๐ญ๐ข๐ณ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐๐ฆ๐ฉ๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ต๐ด๐บ ๐๐ช๐ข๐ฏ๐ฌ๐ช๐ฏ๐ข (๐๐๐๐๐), ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐บ ๐๐ช๐ข๐ฏ๐ข ๐๐ข๐ฎ๐ฑ๐ฐ๐ช๐ฏ๐ข.
Nandritra ny lahateniny, dia nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fandraharahana aminโny fanovana ara-indostria, ny famoronana asa mendrika ary ny fampandrosoana ara-toekarena maharitra Andriamatoa Minisitra.
Notsindriany manokana ny fanamafisana ny fahaiza-mamorona sy ny haivao eny aminโny oniversite, ny fanohanana ireo orinasa vao misondrotra (startups), ary ny fanatsarana ny fahafahanโny tanora misitraka famatsiam-bola sy tsena.
Nohamafisiny ihany koa fa ilaina ny fiaraha-miasa eo aminโny Fanjakana, ny oniversite, ny mpampiasa vola ary ireo mpiara-miombonโantoka aminโny fampandrosoana mba hanovana ny hevitra vaovao ho orinasa matanjaka sy mifaninana.
Ny tanjona dia ny hanova ny hevitra ho orinasa, ny orinasa ho indostria, ary ny haivao ho fampandrosoana maharitra.
