🇲🇬 Air Madagascar : Famerenana ny kaopaniam-pitanterana an’habakabaka nasionaly

📍𝘕𝘰𝘷𝘰𝘵𝘦𝘭 𝘈𝘭𝘢𝘳𝘰𝘣𝘪𝘢, 𝘚𝘢𝘣𝘰𝘵𝘴𝘺 31 𝘰𝘤𝘵𝘰𝘣𝘳𝘦 2026 – 𝘋𝘪𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢 𝘭𝘦𝘩𝘪𝘣𝘦 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘵𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘯𝘺 𝘬𝘢𝘰𝘮𝘱𝘢𝘯𝘪𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘵𝘢𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘯’𝘩𝘢𝘣𝘢𝘬𝘢𝘣𝘢𝘬𝘢 𝘯𝘢𝘴𝘪𝘰𝘯𝘢𝘭𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘦𝘳𝘦𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘣𝘢𝘳𝘰𝘵𝘳𝘢  » 𝘈𝘪𝘳 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘤𝘢𝘳 « .

👉Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny fisian’ny kaompaniam-pitaterana an’habakabaka nasionaly matanjaka. Manamora ny fifandraisana anatiny sy ivelany, mampiroborobo ny fizahantany sy ny varotra, ary manokatra lalana ho an’ny fampiasam-bola. Ka izay indrindra no antony lehibe hanosehan’ny Fitondram-panjakana, tarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, ny fanarenana ny Air Madagascar.

📌Nanatrika ny lanonana ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana, sy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.

👉Notsindrian’ny Praiminisitra fa reharehan’ny Firenena ny Air Madagascar, ary andraikitry ny Governemanta ny manohana ny orinasa mba hahafahany mijoro indray ary afaka hifaninana. Hentitra sady mafonja ny hafatra napetrany ho an’ireo tompon’andraikitra : “ Raha mino ianao fa marina ny hevitrao, dia tanteraho hatramin’ny farany izany. Ary amin’ireo tsy mino ny fahombiazana kosa, lazao izy ireo mba hiala amin’ny lalana, fa raha tsy izany dia hotrongisina.”

✅Air Madagascar: mariky ny fiandrianam-pirenena Malagasy, ary hery manosika ny fampandrosoana ny firenena. 🇲🇬

#AirMad #PM #MIDSP #MTM #MTA

Vous aimerez aussi...