CEO Summit Indian Ocean – Andiany faharoa « Nouveau paradigme, Nouveaux Horizons »

𝗡𝗼𝘃𝗼𝘁𝗲𝗹, 𝗳𝗮𝗵𝗮 𝟬𝟵 𝗮𝗽𝗿𝗶𝗹𝘆 𝟮𝟬𝟮𝟲 – 𝘔𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘰𝘯𝘥𝘳𝘰𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘔𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢 𝘭𝘦𝘩𝘪𝘣𝘦 𝘴𝘺 𝘛𝘰𝘮𝘱𝘰𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘬𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘮𝘱𝘪𝘵𝘢𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢 𝘰𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘪𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 𝘢𝘷𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯𝘢 𝘧𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 21.
Nisokatra tamin’ny fomba Ofisialy androany ny CEO SUMMIT INDIAN OCEAN tetsy amin’ny Novotel Alarobia izay natrehan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’ i Madagasikara Kolonely Mickaël RANDRIANIRINA sy ny Praimisitra lehiben’ny Governemanta ary ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta.
Tamin’ny fandraisam-pitenenany ny Filohan’ny Fanavaozana moa nanipika ny anjaran-toerana lehibe hananan’ny Sehatra Tsy Miankina amin’ny fampandrosoana ara-toekarena, ny famoronana asa sy ny fiaraha-mientana eto amin’ny faritra ranomasina Indiana sy Afrika.
Ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP) izay tarihin’ny Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina dia isan’ireo Minisitera mpiahy ny hetsika.
Fotoana iray hamantarana ireo sehatra fampandrosoana manaraka ny rojom-pamokarana iombonana hanovana ny fifanankalozan-kevitra ho lasa tetikasa azo tanterahina, hampiroboroboana ny fampiasam-bola, ny fiaraha-miasa maharitra, hamoronana tontolo ara-toekarena sy ara-barotra mahasoa kokoa ny orinasa sy ny mpandraharaha.
Hitohy rahampitso 10 aprily ny hetsika.
