Tetikasa EAGER

𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺 𝘍𝘰𝘪𝘣𝘦 𝘍𝘐𝘋, 𝘧𝘢𝘩𝘢-29 𝘢𝘱𝘳𝘪𝘭𝘺 2026 – 𝘕𝘪𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘷𝘰𝘳𝘪𝘢𝘮𝘣𝘦 𝘵𝘦𝘬𝘯𝘪𝘬𝘢 𝘴𝘺 𝘴𝘵𝘳𝘢𝘵𝘦𝘫𝘪𝘬𝘢 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘦𝘵𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢 𝘌𝘈𝘎𝘌𝘙 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺, 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘯𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘰𝘯𝘥𝘳𝘰𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘢𝘷𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘐𝘋, 𝘯𝘺 𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗 𝘢𝘳𝘺 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘱𝘪𝘢𝘳𝘢-𝘮𝘪𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯’𝘢𝘯𝘵𝘰𝘬𝘢 𝘳𝘦𝘩𝘦𝘵𝘳𝘢 𝘷𝘰𝘢𝘬𝘢𝘴𝘪𝘬’𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺.

✅ Teo ambany fitarihan’Andriamatoa RICHMAN David, Talen’ny Kabinetra, ity fihaonana ity ka tafiditra tanteraka ao anatin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana ataon’ny vehivavy, izay tanterahin’ny Fitaleavana misahana fampiroboroboana ny fandraharana eo anivon’ny MIDSP (DPE).

💡 Tanjona: hiroso amin’ny asa mivaingana, hanamafy ny fandrindrana ary hanafaingana ny vokatry ny asa eny ifotony.

Ireo hevi-baventy nifanakalozana:

👉 Fampifanarahana ny vina

👉 Fanazavana ny andraikitry ny tsirairay

👉 Fametrahana asa mivaingana

👉 Fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra

📌 Ny tetikasa EAGER dia natao ho fanoitra lehibe ho an’ny:

✨ Fampahaleovantena ny zatovovavy sy ny vehivavy

✨ Fampandrosoana ny fandraharahana tsy manavaka sy maharitra

✨ Fanovana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara

🤝 Fifanomezan-tanana iombonana ho an’ny vokatra mivaingana.

Vous aimerez aussi...