Hamafisina ny fiaraha-miasa ara-toekarena eo amin’i Madagasikara sy Ejipta

𝘼𝙣𝙤𝙨𝙮, 𝘼𝙡𝙖𝙧𝙤𝙗𝙞𝙖 6 𝙈𝙖𝙮 2026 – 𝘕𝘰𝘳𝘢𝘪𝘴𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢, 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖, 𝘯𝘺 𝘔𝘢𝘴𝘰𝘪𝘷𝘰𝘩𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘙𝘦𝘱𝘰𝘣𝘭𝘪𝘬𝘢 𝘈𝘳𝘢𝘣𝘰 𝘌𝘫𝘪𝘱𝘴𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘦𝘵𝘰 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢, 𝘙𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘙𝘢𝘣𝘢𝘣 𝘚𝘢𝘪𝘥 𝘈𝘣𝘥𝘰𝘶 𝘈𝘣𝘥𝘦𝘭𝘩𝘢𝘥𝘪. 𝘍𝘪𝘩𝘢𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘢𝘵𝘢𝘰 𝘩𝘢𝘯𝘢𝘮𝘢𝘧𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢-𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘰𝘦𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 𝘳𝘰𝘢 𝘵𝘰𝘯𝘵𝘢.
Nifantoka tamin’ny lohahevitra maro ny dinika, ka anisany ny fampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra, ny fanohanana ny sehatra tsy miankina ary ny fahafahana amin’ny fampiasam-bola eo amin’ny sehatry ny indostria. Nohadihadiana nandritra izany ihany koa ny fomba hanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fiaraha-miombon’antoka mba hahazoana tombontsoa iombonana amin’ny fampandrosoana ara-toekarena.
Amin’ny maha firenena laharana faharoa ara-toekarena aty Afrika an’i Ejipta dia samy naneho fahavononana ny roa tonta hanamafy ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-indostrialy, amin’ny alalan’ny fifampizarana traikefa, ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola ary ny fanohanana ireo tetikasan’ny sehatra tsy miankina.
Tafiditra ao anatin’ny vina entin’ny MIDSP izany, izay mikendry ny hanitatra ireo fiaraha-miombon’antoka stratejika ho an’i Madagasikara sy hamorona tontolo manohana ny fananganana indostria, ny fanodinana eto an-toerana ary ny fampandrosoana sehatra tsy miankina matanjaka sy maharitra.
