Atsimo Andrefana Business Week 2026 | Avy amin’ny famokarana ho amin’ny indostria

𝘑𝘢𝘳𝘥𝘪𝘯 𝘥𝘦 𝘭𝘢 𝘔𝘦𝘳 – 𝘛𝘰𝘭𝘪𝘢𝘳𝘢, 03 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘢𝘯𝘫𝘢𝘳𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘦𝘭𝘢𝘣𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯-𝘬𝘦𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘧𝘢𝘩𝘢𝘳𝘰𝘢 𝘮𝘪𝘵𝘰𝘯𝘥𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘭𝘰𝘩𝘢𝘩𝘦𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘩𝘰𝘦 « 𝘋𝘦 𝘭𝘢 𝘵𝘦𝘳𝘳𝘦 𝘢̀ 𝘭’𝘪𝘯𝘥𝘶𝘴𝘵𝘳𝘪𝘦 : 𝘮𝘰𝘥𝘦𝘳𝘯𝘪𝘴𝘦𝘳 𝘭𝘦𝘴 𝘧𝘪𝘭𝘪𝘦̀𝘳𝘦𝘴 𝘢𝘨𝘳𝘪𝘤𝘰𝘭𝘦𝘴 𝘦𝘵 𝘱𝘢𝘴𝘵𝘰𝘳𝘢𝘭𝘦𝘴 𝘱𝘰𝘶𝘳 𝘭𝘢 𝘴𝘰𝘶𝘷𝘦𝘳𝘢𝘪𝘯𝘦𝘵𝘦́ 𝘢𝘭𝘪𝘮𝘦𝘯𝘵𝘢𝘪𝘳𝘦 » 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢.
Nandritra izany no nanasongadinany fa lalan-tsaina entin’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, ary voafaritra mazava ao anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanavaozana (PGE-R) ny hanodinana bebe kokoa eto Madagasikara ny vokatra, hampitomboana ny sanda fanampiny ary hamoronana asa ka izay no ilàna ny fampifandraisana akaiky kokoa ny famokarana eny ifotony sy ny indostria.
Nohamafisin’Andriamatoa Minisitra fa tsy eny an-tsaha ihany no hanorenana ny fahaleovantena ara-tsakafo, fa eo ihany koa ny fanodinana, ny fitahirizana, ny famatsiam-bola ary ny fananganana rojom-pihariana mifaninana. Manana tombony lehibe amin’izany ny Faritra Atsimo Andrefana, indrindra amin’ny katsaka, legioma maina, hena, ronono ary menaka.
Notsindrian’Andriamatoa Minisitra ihany koa fa ilaina ny fampifandraisana ireo fitaovana stratejika telo: ny PTASO, tetikasan’ny MIDSP vatsian’ny Vondron’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana vola amin’ny ampahany lehibe, izay mampifandray ao anatin’ny rafitra iray ny famokarana, ny fotodrafitrasa, ny fanodinana ary ny fampiasam-bolan’ny sehatra tsy miankina. Ny Programme de Partenariat Pays (PCP) Madagascar 2026-2030 ho rafitra hanetsehana ireo mpiara-miombon’antoka sy loharanom-bola, ary ny Fonds National pour le Développement Industriel (FNDI S.A) ho fitaovana nasionaly hanohanana indrindra ireo orinasa Malagasy sy PME misehatra amin’ny fanodinana.
Ny vina dia ny hahatonga ny Faritra Atsimo Andrefana tsy ho sompitr’i Madagasikara fotsiny, fa ho Faritra mamokatra, manodina, mamorona asa ary misarika fampiasam-bola, ho fanamafisana ny fahaleovantena ara-tsakafo sy ara-indostrialy.
Sary nomena
#PRRM#MIDSP#PTASO#PCP#FNDI#ATSIMOANDREFANA#BUSINESSWEEK#INDOSTRIA#SEHATRATSYMIANKINA
